Prôtestantisma — Wikipedia
Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
Ny Tsangan-kevitr' i Lotera 95 eo amin' ny varavaram-piangonan' i
Wittenberg
Ny
prôtestantisma
dia iray amin'ny sampana lehibe ao amin'ny
kristianisma
ankoatry ny
katôlisisma
sy ny
Ôrtôdôksia
. Mahafaoka ny fiangonana rehetra nipoitra mivantana na tsia amin' ny
Refôrmasiona
(na Refôrma) ny prôtestantisma ka mizara ho sampany lehibe (toy ny
adventisma
, ny
anabatisma
, ny
anglikanisma
, ny
fiangonana batista
, ny
fiangonana nohavaozina
, ny
loteranisma
, ny
metôdisma
, ny
pentekôtisma
) sy sampany madinika (toy ny
hositisma
valdisma
, ny
fiangonan' ny mpirahalahy
, ny
hetsiky ny fanamasinana
, ny
koakerisma
) ary ny maro hafa koa. Indraindray dia heverina ho anisan' ny Prôtestanta ny
fiangonana ara-pilazantsara
(na Evanjelika) nefa indraindray koa dia lazaina ho sampana manokan' ny kristianisma .
Laharana faharoa ny prôtestantisma, manaraka ny
katôlisisma
, raha ny isan' ny mpino ao aminy no heverina, izay mahatratra ny 40
% amin' ny Kristiana maneran-tany
Ny niandohany
hanova
hanova ny fango
Ny tsangan-kevitra 95
hanova
hanova ny fango
Ny tsangan-kevitra 95 an' i Lotera
Tamin' ny 31 Ôktôbra 1517 no nanombohan' ny zava-niseho niteraka ny prôtestantisma tamin' ny nametahan' ilay
monka
(na
moanina
) alemàna sy dokotera an-teôlôjia, dia i
Martin Lotera
(alemàna:
Martin Luther
), ny
tsangan-kevitra miisa 95
niampangany izay ataony ho fahadisoan' ny
Fiangonana katôlika rômana
tamin' ny fotoan' androny. Nanambara i Lotera fa ny
Baiboly
irery ihany no manana fahefana azo anankinana ny finoana, izany no atao amin' ny
teny latina
hoe
Sola
Scriptura
. Narovan' i Joany I any Saksônia (
alemàna
Johann Friedrich der Grossmütige
frantsay
Jean Frédéric I
er
de Saxe
) (1503-1554) i Lotera izay nandoro ny taratasin' ny
papa
, taratasy nitondra ny lohateny latina hoe
Exsurge Domine
("Mitsangàna Tompo ô" [fa misy amboadia manimba ny tanim-boalobokao]) izay nandrahona fanonganana an' i Lotera tamin' ny taona 1520. Izany dia "taratasy manameloka ny fahadisoan' i Martin Lotera sy ny mpanaraka azy" (latina: "
Bulla contra errores Martini Lutheri et sequacium
").
Fanonganana an' i Lotera
hanova
hanova ny fango
Ny taona 1521 dia heverina koa ho taona manan-danja: tamin' ny volana Janoary dia nanda ny hiala amin' ny heviny i Lotera teo anatrehan' ny fivoriamben' ny Fanjakana mivondrona ao amin' ny
Empira Masina Rômana Jermanika
notanterahina tao
Worms
, satria aminy dia ny Baiboly sy ny
fieritreretany
ihany no manam-pahefana aminy fa tsy ny antanantohatra misy eo amin' ny mpitondra fiangonana
ka noroahina tsy ho anisan' ny fiangonana katôlika izy. Sambany no nisy firesahana ny amin' ny fiantsoana an' Andriamanitra mivantana sy ny fieritreretana ka anisan' ny mampiavaka ny prôtestantisma izany.
Ny "adin' ny Tantsaha"
hanova
hanova ny fango
Anisan' ny hevitr' i Lotera ny tokony hahafahan' ny olon-drehetra mamaky
Baiboly
izay tsy anavahana saranga, ka izany fitovian' ny olombelona rehetra izany dia nisy akony tao amin' ny vahoaka izay betsaka
tantsaha
, hany ka niteraka ilay atao hoe "
Adin' ny Tantsaha
" (alemàna:
Deutscher Bauernkrieg
) izany tamin' ny lohataonan' ny 1525 tao amin' ny
Empira Masina Rômana Jermanika
Mba hampitsaharana haingana ny firongatan' ny herisetra nataon' ny olona tamin' ny sarangan' ny mpitondra fivavahana izany dia nivory voalohany tao
Spire
tamin' ny taona 1526 ny andriandahy. Nifanarahana ny didim-panjakana ampiharina amin' ny tany misy hotakotaka, dia tapaka fa misafidy ny fanompoam-pivavahana tiany hatao ao amin' ny fanjakany ny andriana tsirairay. Noho izany dia tsy maintsy nandositra tany amin' ny fanjakana mankasitraka ny finoany ny mpanohitra. Izany fanomezana lanja ny fivavahana tiana harahina izany dia efa natombok' i
Joany I any Saksônia
tamin' ny faramparan' ny taona 1525 ka nampanjary fivavavahana ekem-panjakana ny
loteranisma
Fampitsaharana ny "adin' ny Tantsaha"
hanova
hanova ny fango
Tsy tao amin' izany fivoriana izany, izay natrehin' ny andriana mpandatsa-bato, i Karl V (frantsay:
Charles Quint
; alemàna:
Karl V
; latina:
Carolus V
) ka tsy nankasitraka izany fanapahan-kevitra izany. Nampangain' ny mpomba ny
papa
ho nanohana an' i Lotera izy ka nanapa-kevitra ny hisakana ny fiparitahan' ny
tsangan-kevitr' i Lotera
. Nampiantso fivorian' andriana tao Spira i Karl V sy i Ferdinando I rahalahiny, izay nanafoanany ny marimaritra iraisana nataon' ny andriana tamin' ny tantsaha. Noho izany dia tafapetraka amin' ny toerany indray ny fanaovana
lamesa
amin' ny
fiteny latina
. Namaly izany ny andriana maro notarihin' i Joany avy any Saksônia tamin' ny alalan' ny famoahana fanohanan-kevitra (latina:
protestatio
). Ireo andriana nanao sonia ireo dia natao amin' ny teny latina hoe "
protestantes
", izay niavian' ny teny hoe
prôtestanta
Ny foto-kevitra iorenan' ny finoana prôtestanta
hanova
hanova ny fango
Ny fahasoavana irery ihany
hanova
hanova ny fango
Mino ny Prôtestanta fa tsy mendrika ny
famonjena
azony avy amin' Andriamanitra ny olombelona, nefa nomen' Andriamanitra azy maimaimpoana amim-pitiavana izany. Izany koa no mahatonga ny olona ho afaka mitia. Noho izany, ny maha izy azy ny olona iray eo anatrehan' Andriamanitra dia tsy miankina amin' ny fitiavany an' Andriamanitra na noho ny toetra tsara ananany na ny fahamendrehany na ny toerany eo amin' ny fiarahamonina. Izany no itenenan' ny Prôtestanta hoe "ny
fahasoavana
irery ihany" (latina:
Sola gratia
).
Ny finoana irery ihany
hanova
hanova ny fango
Amin' ny Prôtestanta, ny finoana dia fanomezan' Andriamanitra tamin' ny fihaonan' ny isam-batan' olona amin' Andriamanitra, amin' ny alalan' i
Jesoa Kristy
. Ny finoana irery ihany (latina:
ola fide
) fa tsy ny
foto-pampianaram-pinoana
(latina:
doctrina
) na ny asan' olombelona no
mahavonjy
. Tsy mitovy ny fomba mahatonga io finoana io ao amin' ny olona tsirairay ka mety miseho tampoka izany na miandalana. Samy miaina izany finoana izany amin' ny fombany manokana ny olona tsirairay satria valin' ny fanehoan' Andriamanitra fitiavana ny finoana.
Ny Soratra Masina irery ihany
hanova
hanova ny fango
Amin' ny Prôtestanta dia ny
Baiboly
no mirakitra ny Tenin' Andriamanitra ka izy irery ihany no manana fahefana ara-teôlôjia sady mpanoro lalana ho an' ny finoana sy ny fiainana. Izany no fintinina amin' ny hoe "ny Soratra Masina irery ihany" (latina:
Sola Scriptura
). Ny toriteny ataon' ny mpanao raharaham-piangonana voaofana tamin' izany, indrindra voaofan' ny
Fanahy Masina
, no manazava azy. Amin' ny alalan' ny fijoroana vavolombelona ampitainy no amaritany fitsipi-piainana izay ahatakarana sy iasan' ny andraikitry ny tsirairay.
I Kristy irery ihany
hanova
hanova ny fango
I Kristy irery ihany (latina:
Solus Christus
) no mpanalalana eo amin' Andriamanitra sy ny ombelona, fa tsy ny
olo-masina
na i
Maria
na ny
anjely
An' Andriamanitra irery ihany ny voninahitra
hanova
hanova ny fango
Andriamanitra irery ihany no masina, manana ny fomba maha Andriamanitra azy fara tampony. Noho izany, tsy misy ezaka na asan' olombelona afaka hihambo hanana toetra fara tampony sy tsy azo ovana na sahaza ho an' ny olona sy ny zavatra rehetra, eny fa na ny
teôlôjia
aza. An' Andriamanitra irery ny voninahitra (latina:
Soli Deo gloria
). Ankoatra izany, ny fanomezan' Andriamanitra fahalalahana ny olombelona dia mahatonga ny Prôtestanta hankasitraka ny rafi-piarahamonina mandala ny fahasamihafana sy ny fahalalahana.
Tokony hihavao mandrakariva ny Fiangonana
hanova
hanova ny fango
Ny andrim-pitondran' ny Fiangonana (latina:
institutio
) dia zavatra mifamatotra amin' ny maha olombelona ka tsy atao lohalaharana satria mety ho diso izy ireo, hoy i
Lotera
. Noho izany ny Fiangonana dia tokony handinika amin-tsaina mitsikera ny fiainany sy ny fampianarana ataony, amin' ny alalan' ny famakiana ny Baiboly
tsilovin
' ny
Fanahy Masina
. Ny Katôlika anefa mihevitra fa ny Eglizy no mitarika azy mazava. Ny fiheveran-tena hahita ny marina dia mety hitondra mankany amin' ny fianteherana amin' ny
tenim-pinoana
(latina:
dogma
"fahamarinana tsy azo lavina"), izay tapahin' ny fivorian' ny
eveka
kônsily
) na omen' ny
Papa
noho ny Papa lazaina fa "
tsy mety diso
". Noho izany dia
tokony hihavao mandrakariva ny Fiangonana
(latina:
Ecclesia semper reformanda
).
Mpisorona ny mino rehetra
hanova
hanova ny fango
Ainga fototry ny
Refôrmasiona prôtestanta
ny fiekena fa "
mpisorona ny mino rehetra
, izay heverin' i Lotera ho foiben-kevitra satria ny olona vita
batisa
dia "mpaminany sy mpisorona sady mpanjaka" eo ambany fifehezan' i
Kristy
. Manafoana ny fisian' ny antanantohatra (ambaratonga) ao amin' ny Fiangonana (fahambonian' ny sarangan' ny mpitondra fiangonana sy fahambanianan' ny sarangan' ny entina, ohatra) izany fiheverana izany. Ny olona vita
batisa
tsirairay dia mitovy lanja, anisan' izany ny manao asa fanompoana masina toy ny mpitondra fiangonana. Satria nianatra teôlôjia sady eken' ny Fiangonana izy ireo, dia miasa ho an' ny mpiray finoana aminy amin' ny alalan' ny fanambaràna ny Tenin' Andriamanitra (amin' ny alalan' ny
toriteny
sy fanomezana ny
sakramenta
) sy ny fanatanterahana iraka manokana vokatr' izany. Afaka mananana anjara asa fanompoana masina ao amin' ny Fiangonana prôtestanta sasany ny vehivavy, ka mitombo miandalana izany arakaraka ny firenena sy ny vanim-potoana.
Ny finoana sy ny fanaon' ny Prôtestanta
hanova
hanova ny fango
Ny Baiboly
hanova
hanova ny fango
Ny fampianarana prôtestanta dia miorina amin' ny
Soratra Masina
, dia ny Baiboly izay fitambaran' ny
Testamenta Taloha
sy
Vaovao
. Ny soratra "apôkrifa" (na
deôterôkanônika
) dia heverin' ny mpanavao fiangonana ho tsara ho fantatra ihany nefa tsy anorenam-pinoana ka tsy natonta intsony ao amin' ny
Baiboly prôtestanta
nanomboka tamin' ny taonjato faha-19. Misy Baiboly loterana sasany izay ahitana ny boky "apôkrifa".
Ny fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty
hanova
hanova ny fango
Sahala amin' ny Kristiana hafa dia mino ny
fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty
sy ny
famonjena
azo avy amin' izany ny Prôtestanta ka zava-dehibe indrindra amin' ny finoany izany
Ny fanompoam-pivavahana
hanova
hanova ny fango
Maro ny fanao iraisan' ny Prôtestanta amin' ny Katôlika, toy ny
vavaka
, ny famakiana ny
Baiboly
ao am-piangonana, ny fivavahana isan'
Alahady
, ary ny fandraisana ny
Fanasan' ny Tompo
Ny fiarovana ny zavaboary
hanova
hanova ny fango
Sahala amin' ny Kristiana hafa koa dia mino ny Prôtestanta fa misy
Andriamanitra mpamorona
izao rehetra izao
ka mandray anjara izy ireo amin' ny fiarovana ny Zavaboarin' Andriamanitra izy samy izy na koa miaraka ao amin' ny fiombonam-piagonana samihafa (
ekiomenisma
Ny sakramenta
hanova
hanova ny fango
Ny
batisa
sy ny
fanasan' ny Tompo
ihany no
sakramenta
ao amin' ny Prôtestanta, izay ilazany, araka ny fahazoany ny soratra ao amin' ny Baiboly, fa ireo roa ireo ihany no naorin' i
Jesoa Kristy
. Ao amin' ny Fiangonana prôtestanta sasany, indrindra ny
fiangonaba ara-pilazantsara
(evanjelika), dia tsy atao batisa afa-tsy ny
olon-dehibe
nefa ny fiangonana prôtestanta hafa dia afaka manao
batisa zazakely
Ny
kônfirmasiôna
(fanamafisana ny fanoloran-tena tao amin' ny batisa) dia mamarana ny fanabeazana ara-pinoana, izay tanterahin' ireo izay feno 14 na 15 taona. Tsy
sakramenta
ny kônfirmasiôna fa dingana atao hahafahana mandray ny Fanasan' ny Tompo sy hidirana amin' ny fiainam-pinoan' ny olon-dehibe
Ny fanamasinam-panambadiana
hanova
hanova ny fango
Ny
fanamasinam-panambadiana
na
tsodrano-panambadiana
dia fitahian' Andriamanitra ny fitiavan' olombelona ary aleon' ny Fiangonana prôtestanta maro ny
fisaraham-panambadiana
toy izay ny tonkantrano tsy azo iainana na dia tsy tena amporisihina aza izany. Azo atao ny manambady fanindroany ho an' izay efa nisara-panambadiana.
Ny fandevenana
hanova
hanova ny fango
Atao hampaherezana ny fianakavian' ny maty sy ny namany ny
fanompoam-pivavahana
atao amin' ny
fandevenana
ka aompana amin' ny fanambaràna ny
Vaovao Mahafaly
sy ny fampanantenana ny
fitsanganan' ny tena amin' ny maty
. Alevina amin' ny fomba tsotra amim-panjana ny maty: vakina ny andalana iray ao amin' ny
Baiboly
ary misy
vavaka
atao ho an' ny fianakaviana. Tsy misy ny fanaovana lamesa fahatsiarovana ny maty. Amin' ny ankapobeny dia azo atao ny fikirakirana ny vatan' ny maty hitadiavana ny marina amin' ny alalan' ny aotopsý.
Fahasamihafan' ny Prôtestanta amin' ny Katôlika
hanova
hanova ny fango
Na dia eo aza ny zavatra maro itovian' ny prôtestantisma amin' ny
katôlisisma
, satria samy avy amin' ny
sampana tandrefan' ny kristianisma
, ary na dia misy aza ny fampifanakekezana ny fampianarany vokatry ny fifampiresahana eo amin' ny samy Fiangonana (
ekiomenisma
), dia maro ny zavatra tsy itovian' ny fanompoam-pivavahana prôtestanta amin' ny an' ny katôlika.
Ny loharanon' ny fampianarany
hanova
hanova ny fango
Ny Prôtestanta dia tsy manana afa-tsy ny
Baiboly
ho loharanon' ny fampianarany. Laviny ny "
Lovam-pampianarana masina
" izay anisan' ny loharanon' ny
tenim-pinoana
(na dôgma) eken' ny Katôlika. Mino ny Prôtestanta fa ny
Fanahy Masina
dia manampy azy amin' ny fahazoana ny tian' ny Baiboly hambara. Manafintohina azy ireo ny mandre tenim-pinoana vaovao avoakan' ny Eglizy katôlika rômana, ka ohatra amin' izany ny finoan' ny Katôlika ny
tsy fahazoan' ny fahotana lovàna
(tamin' i
Adama
sy i
Eva
) an' i
Maria
hatrany an-kibon-dreniny (1854) sy ny
tsy fetezan-dison' ny Papa
(1870) ary ny
fampakaram-belona an' i Maria
any an-danitra (1950), izay heveriny fa mitovy amin' ny
fanambaràna mitohy
tsy dia misy fifanarahana firy amin' ny
Filazantsara
Ny mpitondra fiangonana
hanova
hanova ny fango
Tsy misahana ny andraikitra manokan' ny mpisorona (
pretra
) ny mpitondra fiangonana prôtestanta. Mpanolo-tsaina sy manam-pahaizana ny mpitandrina (na
pastora
) ka mampianatra ny mpivavaka sy manoro lalana azy. Izy ireo no mitarika ny
fanompoam-pivavahana
sy mampandray ny
Fanasan' ny Tompo
. Noho ny fandaminana ihany no tsy anaovan' ny mpivavaka tsotra an' izany, izay azony atao koa, ka anisan' izany ny fitorian-teny ho an' izay nahazo fiofanana ara-
teôlôjia
. Satria ny
mpino rehetra dia mpisorona
avokoa (araka ny
Epistily ho an' ny Hebreo
). Ao amin' ny Eglizy katôlika kosa, mandritra ny fanononany ny
famelan-keloka
ao am-piangonana, dia manome tokoa ny famelan-kelon' Andriamanitra ny pretra, fa ny pastora kosa dia mampahatsiahy fotsiny mandritra ny
litorjia
ny fampanantenana ny famelan-keloka azon' izay
mibebaka
sy mino; ny sisa rehetra dia raharaha mivantana eo amin' ny mpino tsirairay sy Andriamanitra (ny
Anglikana
ihany no mampiasa ny teny hoe
pretra
"mpisorona", nefa tsy amin' ny heviny katôlika).
Ny pastora prôtestanta dia manan-jo hanambady ary ny vehivavy dia afaka manao raharaham-pastora. Nampiditra ny
fitovoan' ny mpisorona
(pretra) ny Fiangonana katôlika tamin' ny taonjato faha-11 noho ny antony ara-pratika
fa ny mpitondra fanavaozana prôtestanta tamin' ny taonjato faha-16 kosa dia nanizingizina ny lanja ara-teôlôjian' ny fanambadian' ny mpitondra fiangonana.
Ny fitondram-piangonana
hanova
hanova ny fango
Ny Prôtestanta dia tsy ananan' ny
Papa
na ny
Kardinaly
fahefana. Noho ny antony ara-tantara dia misy Fiangonana prôtestanta maro dia maro izay tsy misy ifandraisany fa samy mahaleo tena. Ny Fiangonana prôtestanta entina
eveka
, izay atao hoe indraindray mpanaramasom-piangonana (avy amin' ny dikan' ny
teny grika
hoe
episkopos
), ka
rafitra episkôpaly
no misy arak' izany (toy izany ny
Loterana
maro sy ny
Anglikana
ary ny
Metôdista
), na entina filan-kevitry ny loholona mahefa, ka ny
paroasy
dia mivondrona amina fitambaram-piangonana fehezin' ny fivoriam-be atao hoe
sinôda
, ka atao hoe
rafitra presbiterô-sinôdaly
. Ireo fiombonana ao amin' ny isam-pirenena ireo dia mamondrona fiangonana iray firehana (loterana, nohavaozina, anglikana, batista, metôdista, sns.) ao amin' ny fiombonana iraisam-pirenena izay amin' ny ankapobeny mikambana amin' ny
Fiombonana Ekiomenikan' ny Fiangonana
(frantsay:
Conseil œcuménique des Églises
).
Ny sakramenta
hanova
hanova ny fango
Roa ihany ny
sakramenta
ao amin' ny Prôtestanta, dia ny
batisa
sy ny
fanasan' ny Tompo
, nefa fito ny an' ny Katôlika, dia ny
batemy
, ny
eokaristia
, ny
kônfirmasiôna
, ny
fampihavanana
, ny
fanambadiana
, ny fanokanana pretra atao hoe
Sakramentan' ny filaharana
, ary ny
fanosorana ny marary
). Misy ao amin' ny Prôtestanta ihany ireo fomba ireo nefa tsy isaina ho sakramenta (ohatra, ny kônfirmasiôna sy ny famboraham-pahotana). Azon' ny Prôtestanta atao ny misara-panambadiana sady azony atao ny manambady fanindroany rehefa nisara-panambadiana.
Tsy mitovy amin' ny an' ny Katôlika ny fiheveran' ny Prôtestanta ny fanasan' ny Tompo na eokaristia. Tsy mino ny
fiovan' ny mofo ho tenan' i Jesoa
, na ny
divay ho ran' i Jesoa
(latina:
transsubstantiatio
; grika:
μετουσίωσις / metousiosis
) ny Prôtestanta. Inoan' ny ankamaroan' ny Prôtestanta ny maha ao amin' ny fanasan' ny Tompo an' i Jesoa fa ara-panahy ka tsy tandindona (grika: σύμβολον /
sumbolon
) izany. Niezaka nanakambana zavatra toa mifanohitra i
Lotera
ka aminy dia
fiombona
n' ny
mofo
amin' ny tenan' i Jesoa sy ny diavay amin' ny ran' i Jesoa (latina:
consubstantiatio
) no tena izy, izay noraisiny avy amin' ny hevitr' i
William any Ockam
(frantsay:
Guillaume d'Occam
) sy i John Duns Scot
. Ny Fiangonan' i Taizé dia mampiasa ny teny hoe "fahatsiarovana ny sorona" izay noheveriny fa mety hiraisan' ny Prôtestanta.
Ny amin' ny olona maty
hanova
hanova ny fango
Tsy misy amin' ny Prôtestanta ny
afo fandiovana
sy ny fanandratana ho
olomasina
ny olona iray efa maty. Amin' ny Prôtestanta dia tsy misy olona ho masina mihoatra noho ny mpiara-mivavaka aminy.
Amin' ny Katôlika ny afo fandiovana dia toeram-pijalian' ny olombelona aorian' ny fahafatesany mba hanonerany ny
fahotany
sy hidiovany amin' izany ka hahafahany miditra any am-
paradisa
Ny fanonganana tsy ho anisan' ny fiangonana
hanova
hanova ny fango
Misy ihany ny fanapotrahana na fanonganana (fanesorana ny mpivavaka iray tsy handray ny sakramenta) izay ampiharin' ny
eveka
(na
pastora
) na ny filankevitry ny loholona, nefa tsy dia misy manao firy intsony izany (afa-tsy ao amin' ny
fiangonana ara-pilazantsara
sasany izay mampiasa izany mba hanamafy ny firaisan' ny mpiara-mivavaka ka mandroaka eo no ho eo ilay naongana tsy ho anisan' izy ireo).
Ny amin' i Maria
hanova
hanova ny fango
Ny Prôtestanta dia manaiky fa
natera-birijiny
i Jesoa ka apetrany ho vavolombelona azo itokisana sahala amin' ny mpianatr' i Kristy i
Maria
. Tsy mino anefa izy ireo fa
tsy nandova ota avy any am-bohoka
i Maria, satria filazàna tsy mifototra amin' ny
Baiboly
izany.
Tsy mila mpanelanelana
hanova
hanova ny fango
Ny Prôtestanta dia tsy mila
mpanelanelana
na mpanalalana (na i
Maria
na ny
olomasina
na ny
anjely
) rehefa mivavaka. Ny mpino tsirairay dia tompon' andraikitra eo anatrehan' Andriamanitra ka ny resaka ifanaovany amin' Andriamanitra dia tsy tokony handalo amina mpanelanelana. Tsy ilaina noho izany ny
mikonfesy
(manambara ny fahotan' ny tena amin' ny mpitondra fivavahana).
Ny sampan' ny prôtestantisma
hanova
hanova ny fango
Vao nanomboka fotsiny ny
Refôrmasiôna
dia efa tsy nitovy hevitra ny samy mpanavao fiangonana fa samy nanana ny fampianarany sy nanorina ny fiangonany, ary izany fizarazarana izany dia mitohy hatramin' izao andro ankehitriny izao.
Ny sampana lehiben' ny prôtestantisma
hanova
hanova ny fango
Ireto ny sampana lehiben' ny prôtestantisma:
ny
loteranisma
(taonjato faha-16 hatramin' izao)
ny
nohavaozina
(taonjato faha-16 hatramin' izao)
ny
anabatisma
(taonjato faha-16 hatramin' izao)
ny
anglikanisma
(taonjato faha-16 hatramin' izao)
ny
batisma
(taonjato faha-17 hatramin' izao)
ny
metôdisma
(taonjato faha-18 hatramin' izao)
ny
adventisma
(taonjato faha-19 hatramin' izao)
ny
pentekôtisma
(taonjato faha-20 hatramin' izao)
Ny loteranisma
hanova
hanova ny fango
Ny
loteranisma
dia fiangonana manaraka ny
teôlôjia
nipoitra avy amin' ny fandinihana sy soratr' i Martin Lotera. Tamin' ny taona 1597 dia namaritra ny hoe
loterana
ny teôlôjiana tao
Wittenberg
hanodroana ny fiangonana marina
10
Amin' ny Loterana dia tsy voavonjy amin' ny alalan' ny asany, na ara-pitondrantena izany na amin' ny fitiavam-bavaka, ny olombelona; tsy mandray anjara amin' ny fanavotana azy ny asa tsara ataon' ny olona na ny foto-pampianaram-pinoana, fa ny finoana ny fahafatesan' i
Jesoa Kristy
mitondra fanavotana teo amin' ny hazo fijaliana; ny
Baiboly
, izay mirakitra ny tenin' Andriamanitra sy hany mpanoro lalana ho an' ny finoana sy ny fiainana, no fahefana fara tampony sady tokana tsy maintsy ankatoavin' ny Kristiana sy ny Fiangonana; ny famonjena ny
fanahin' ny olombelona
dia tsy amin' ny alalan' ny fanelanelanan' ny andrim-pivavahana na ny sisan-javatra navelan' ny maty na ny mpitondra fivavahana na ny olomasina na ny
anjely
, fa amin' ny alalan' i Kristy mivantana.
Ny fiangonana nohavaozina
hanova
hanova ny fango
Ny
Fiangonana nohavaozina
dia fiangonana nandray ny fampianaram-pinoan' ireo mpanavao fiangonana toa an' i
Ulrich Zwingli
sy i
Jean Calvin
. Ampahany amin' ny fampianaran' i
Lotera
ihany no noraisiny.
Tsipahiny ny
tenim-pinoana
momba ny fiovan' ny mofo ho tenan' i Jesoa sy ny divay ho ran' i Jesoa (
fiovam-pisia-maha-izy
) izay ampianarin' ny
Fiangonana katôlika rômana
, sy ny amin' ny fikambanan' ny mofo amin' ny tenan' i Jesoa sy ny divay amin' ny ran' i Jesoa na
konsobstansiasiona
izay ampianarin' ny
Fiangonana loterana
. Amin' ny Fiangonana nohavaozina dia fahatsiarovana miendrika tandindona ny
sakramentan' ny Fanasan' ny Tompo
Manantitra ny maha tsitoha (mahery indrindra) an' Andriamanitra ny fampianaran' ny Fiangonana nohavaozina, nefa tsy mifanohitra amin’ ny fahalalahan' ny Kristiana sy ny maha tompon' andraikitra azy izany. Ny toetra
mihoa-draha
ananan' Andriamanitra anefa mametra ny fahefana rehetra mety hananan' ny olombelona, na amin' ny lafiny fivavahana izany na amin' ny lafiny pôlitika.
Ny anabatisma
hanova
hanova ny fango
Ny
anabatisma
dia manandratra avo ny
batisa
an-tsitrapon' ny olona efa tonga saina. Mihevi-tena ho nipoitra avy hatrany amin' ny Fiangonana voalohany fa tsy nikambana tamin' ny
Fingonana katôlika
ny Anabatista. Ankehitriny ny Anabatista dia mitambatra ao amin' ny vondrom-pivavahana mandala ny tsy fampiasana herisetra, ary koa ny tsy fanoherana amin' ny anaran' ny fitiavan' Andriamanitra sy noho ny
Fanjakan' Andriamanitra
tsy eto amin' izao tontolo izao.
Ny anglikanisma
hanova
hanova ny fango
Ny
anglikanisma
dia fivavahana kristiana niorina voalohany tao
Angletera
vokatry ny fialany avy amin' ny
Fiangonana katôlika
tamin' ny taona 1534. Any amin' ny firenena miteny anglisy no tena ahitana azy, indrindra ireo zanatany britanika taloha, nefa koa miely any amin' ny tany andehanan'ny Britanika manerana an' izao tontolo izao io fiangonana io. Eo anelanelan’ ny
katôlisisma
sy ny prôtestantisma ny anglikanisma izay milaza ny tenany ho sady katôlika (nefa tsy rômana noho izy nanohy ny
fifandimbiasana apôstôlika
) no nohavaozina (noho ny nandraisany ny
Fanekem-pinoan' i Westminster
tamin’ ny taona 1646). Izany no atao amin' ny
teny latina
hoe
via media
("lalana anelanelany").
Ny batisma
hanova
hanova ny fango
Ny
batisma
dia firehana ao amin' ny
fiangoanana ara-pilazantsara
izay notarihina pastora roa tamin' ny taonjato faha-17, dia ilay anglisy atao hoe John Smyth tao Hôlandy tamin' ny taona 1609, sy i Thomas Helwys tao Angletera tamin' ny taona 1612. Omeny lanja ny
fahateraham-baovao
sy ny
batisan' ny olon-dehibe
. Mizaka tena ny fiangonana tsirairay isan-toerana. Ny fitambaran' ny mpino rehetra no tompon' ny fahefana amin' ny fampandehanana ny fiangonana ka tsy miavaka loatra ny sokajin' olona atao hoe "mpitondra fiangonana".
Ny metôdisma
hanova
hanova ny fango
Ny
metôdisma
dia fiangonana niforona vokatry ny fivakisana avy amin' ny
Fiangonana anglikana
, izay ivondronan' ny Fiangonana isan-karazany, nefa samy nahazo fampianarana avy amin' ny toritenin' i John Wesley tamin' ny taonjato faha-18. Ny fahamatorana nananan' ny mpikambana tao amin' ny
Holy Club
("Fikambanan' ny Olomasina") tamin' ny fanatanterahany ny adidiny amin' ny maha Kristiana azy no nanomezan' ny namany azy ny anaram-bosotra hoe
Methodists
("mpanaraka fomba fiasa maty paika"). Ara-tantara dia ny metôdisma no nampiely indrindra ny
Fifohazam-panahy lehibe
Ny adventisma
hanova
hanova ny fango
Ny
adventisma
dia hetsika ara-pinoana kristiana
milenarista
nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 tamin' ny fotoana nampiroborobo ny
Fifohazam-panahy lehibe faharoa
tao
Etazonia
izay mampianatra momba ny
Fiavian' i Jesoa Kristy fanindroany
izay hiseho tsy ho ela amin' ny
andro farany
. Ny adventisma ka ny tena be mpanaraka indrindra dia ny
Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito
Ny finoana sy ny fandaminana ao amin' ny adventisma dia sahalahala amin' ny an' ny
Batista
ihany. Nefa misy zavatra vitsivitsy natovony ary nisy hafa koa izay nanteriny bebe kokoa, indrindra ny momba ny fiafaran' izao tontolo izao (
eskatôlôjia
). Inoan' ny Adventista ny fiverenan' i Kristy eny amin' ny rahon' ny lanitra alohan' ny
arivo taona
millenium
). Tamin' ny tapany farany amin' ny taona 1846, ny Sabatan' ny andro fahafito (ankalazaina isaky ny Asabotsy) sy ny asa fanompoana indroa miantoana nataon' i Kristy ao amin' ny fitoerana masina ao an-danitra dia eken' izy ireo. Fampianarana lehibe koa ny fivoasana ara-paminaniana ny hafatr' ireo
anjely
telo ao amin' ny
Apôkalipsy
(Apo. 14) sy ny fifandraisany amin' ny asa fanompoan' i Kristy ao amin' ny Masina Indrindra ao an-danitra ho fanombohan' ny fitsarana izay tsy maintsy hialoha ny fiverenan' i Jesoa sy ny fiafaran' izao tontolo izao.
Ny pentekôtisma
hanova
hanova ny fango
Ny
pentekôtisma
dia firehana
ara-pilazantsara
vokatry ny
Fifohazam-panahy
notarihin' ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao
Etazonia
tamin' ny taona 1906.
Manome lanja manokana ny
Baiboly
, ny fahaterahana indray, ny
batisan' ny Fanahy Masina
, ny
fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina
, ny
batisan' ny olon-dehibe
ny pentekôtisma. Ny ankamaroan' ny Pentekôtista dia miombon-kevitra amin' ny fampianaram-pinoana momba ny
tsy fisian-diso ao amin' ny Baiboly
. Ny Pentekôtista koa dia manantitra ny amin’ ny
fanomezam-pahasoavana avy amin' ny Fanahy Masina
izay heveriny ho fisehoan' Andriamanitra ara-panahy amin' ny fomba mitohy eo amin' ny tantaran' ny olombelona sy amin' ny tantaram-piainany
11
Tsy mitovy hevitra ny samy Pentekôtista ny amin' Andriamanitra ka ny ankamaroany, izay atao hoe "trinitariana" na "ôrtôdôksa", dia mino ny
Trinite
; fa ny ankavitsiany izay atao hoe "
Oneness Pentecostalism
" dia miaro ny maha tokana an' Andriamanitra
12
13
amin' ny fandavany ny Trinite.
Ny sampana madiniky ny prôtestantisma
hanova
hanova ny fango
ny
valdeisma
na valdisma (taonjato faha-12 hatramin' izao)
ny
hositisma
(taonjato faha-15 hatramin' izao)
ny
koakerisma
(taonjato faha-17 hatramin' izao)
ny
Fiangonan' ny mpirahalahy
na Mpirahalahy ao Plymouth (taonjato faha-19 hatramin' izao)
ny
Hetsiky ny fanamasinana
(taonjato faha-19 hatramin' izao)
Ny valdisma
hanova
hanova ny fango
Ny
valdisma
dia fiangonana nipoitra avy tamin' ny toriteny nataon' i Pierre Valdo. Io no fiangonana prôtestanta italiana voalohany izay hita indrindra ao
Italia
sy any
Amerika Atsimo
Ny hositisma
hanova
hanova ny fango
Ny
hositisma
dia hetsika ara-pivavahana teraka avy amin' ny fampianaran' i
Jan Hus
. Nisy akony eo amin' ny
Fiangonana môraviana
sy ny
Fiangonana hosita tsekôslôvaka
izany firehana izany. Amin' ny Hosita dia tokony hiverenana ny Fiangonana apôstôlika sy ara-panahy ary mahantra, ary ny fanavaozam-piangonana dia tokony handalo amin' ny fahefan' ny olon-tsotra tsy mpitondra fivavahana.
Ny koakerisma
hanova
hanova ny fango
Ny
koakerisma
na Fikambanan' ny Sakaiza dia fikambanana ara-pinoana niorina tao
Angletera
tamin' ny taonjato faha-17 vokatry ny fialan' ireo heverina ho mpivily lalana avy amin' ny
Fiangonana anglikana
. I George Fox (1624-1691) no heverin' ny mpahay tantara ho nanangana ilay fikambanana na ny tena nanan-danja indrindra tamin' ireo mpitarika azy.
Ny Fikambanan' ny Sakaiza tsy manana
fiekem-pinoana
ary tsy misy ambaratongam-pitondrana eo amin' ny fandaminana ny fiangonany. Amin' izy ireo dia raharahan' ny tsirairay ny finoana ka malalaka amin' ny fanarahana ny zavatra mandresy lahatra azy ny isam-batan' olona. Amin' izy ireo dia tsy ilaina ny
sakramenta
, na ny
batisa
na ny
fanasan' ny Tompo
. Ny
batisan' ny Fanahy
dia zavatra iainana sy fiovana anaty, ary ny firaisana amin' i
Kristy
dia miseho ao amin' ny fihaonan' ny mpivavaka. Amin' ny Koakera dia misy ny atao hoe "
Fanambaràna mitohy
": tsy vita indray mandeha ny fanambaràn' Andriamanitra fa mitohy ka mampitombo hatranihatrany ny fahalalantsika ny marina.
Ny Fiangonan' ny mpirahalahy
hanova
hanova ny fango
Ny
Fiangonan' ny Mpirahalahy
(na
Plymouth Brethren
amin' ny teny anglisy) dia fikambanana
kristiana evanjelika
teraka tao Dublin any
Britaina Lehibe
manodidina ny taona 1830. Nivaky ilay fikambanana ka tamin' ny taona 1848 no fivakisana lehibe indrindra izay niteraka ny
Open Brethren
(nanaraka an' i George Müller sy i Henry Craik ) sy ny
Exclusive Brethren
(fikambanana nanaraka an' i
John Nelson Darby
).
Ny Hetsiky ny Fanamasinana
hanova
hanova ny fango
Ny
Hetsiky ny Fanamasinana
dia firehan' ny
kristianisma evanjelika
avy amin' ny
metôdisma
. Tamin' ny taona 1894 no nisarahan' io hetsika io tamin' ny metôdisma. Manome lanja ny foto-papianarana ny amin' ny "fahatongalafatra kristiana" ny mpikambana ao amin' io fihetsiketsehana io. Izany foto-pampianarana izany dia nivoatra avy amin' ny fampianaran' i
John Wesley
, izay milaza fa azo atao ny miaina malalaka nefa tsy mahatanteraka
fahotana
an-tsitrapo, ary azo tanterahirahina eo no ho eo amin' ny alalan' ny
fahasoavana
izany. Niteraka ny fandrosoan'ny
pentekôtista
sy ny fanavaozana karismatika io fihetsiketsehana io teo amin'ny tantara.
Ny firehana nivoatra avy amin' ny prôtestantisma
hanova
hanova ny fango
Ny hetsika iraisam-pinoana
hanova
hanova ny fango
ny
evanjelisma
(taonjato faha-16 hatramin' izao)
ny
hetsika karismatika
(taonjato faha-20 hatramin' izao)
ny
Fiangonana karismatika vaovao
(taonjato faha-20 hatramin' izao)
Ny firehana hafa
hanova
hanova ny fango
ny
arminianisma
(taonjato faha-16 hatramin' izao)
ny
poritanisma
(taonjato faha-16 sy faha-17)
ny
pietisma
(taonjato faha-17 hatramin' izao)
ny
liberalisma
(taonjato faha-19 hatramin' izao)
ny
neô-ôrtôdôksia
(taonjato faha-20 hatramin' izao)
ny
paleô-ôrtôdôksia
(taonjato faha-20 hatramin' izao)
ny
fondamentalisma kristiana
(taonjato faha-20 hatramin' izao)
ny
môdernisma
(taonjato faha-20 hatramin' izao)
Jereo koa
hanova
hanova ny fango
Kristianisma
Fiangonana eto Madagasikara
Fahasoavana (finoana)
Fahasoavana (kristianisma)
Prôtestantisma eto Madagasikara
Baiboly prôtestanta
Loharano sy tsiahy ary fanamarihana
hanova
hanova ny fango
"Pewforum: Christianity (2010)"
(PDF)
Archived
Aogositra 5, 2013 at the
Wayback Machine
. Notsidihina tamin'ny 14/05/2014

[Da] … mein Gewissen in den Worten Gottes gefangen ist, ich kann und will nichts widerrufen, weil es gefährlich und unmöglich ist, etwas gegen das Gewissen zu tun. Gott helfe mir. Amen.
»)
L. Siegele-Wenschkewitz, "Priesthood of All Believers", ao amin'ny
The encyclopedia of Christianity
, Eerdmans Publishing, 2005.
p.
350-351.
Jereo ny
1Kor.
15.14: "ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo".
Le programme "Justice, Paix et Sauvegarde de la Création" du Conseil Œcuménique des Églises: un déclic pour les chrétiens
Archived
Septambra 29, 2018 at the
Wayback Machine
tahiry
].
Pascale Marson,
Le guide des religions et de leurs fêtes
, Paris, Presses de la Renaissance, 1999,
p.
152-153.
Joseph Coppens,
Sacerdoce et célibat: études historiques et théologiques
, Duculot, 1971,
p.
524
Une seule eucharistie
, de Frère Max, de Taizé, édité par Les Presses de Taizé, 1973.
"Sainteté et martyre selon la tradition protestante" par Gottfried Hammann, dans
Saints, sainteté et martyre: la fabrique de l'exemplarité: actes du colloque tenu à l'université de Neuchatel les 27 et 28 novembre 1997
, éditions de la Maison des sciences de l'Homme, Paris.
Fahlbusch, Erwin, and Bromiley, Geoffrey William,
The Encyclopedia of Christianity, Volume 3
. Grand Rapids, Michigan: Eerdmans, 2003. p. 362.
Allan Anderson,
An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity
, Cambridge University Press, UK, 2013, p. 19
Talmadge French,
Our God is One
, Voice and Vision Publishers, 1999, ISBN 978-1-888251-20-3.
David S. Norris, PhD,"I Am: A Oneness Pentecostal Perspective.", Word Aflame Publishers, 2009, ISBN 978-1-56722-730-7.
Hita tao amin'ny "
Sokajy
Kristianisma
Prôtestantisma
Hanampy lohahevitra